Ny fiangonana Kristadelfiana

(Mpirahalahy sy  mpirahavavy ao amin'i Kristy)

 

Fampahafantarana ny fikambanana mifototra amin'ny Baiboly.

izay nataon'i Rob J. Hyndman.

 

 

1. Modely tamin'ny taonjato voalohany

 

Ny fiangonana Kristadelfiana dia antokom-pivavahana kely izay miezaka miverina amin'ny finoana sy ny fombafomban'ny fiangonana Kristiana voalohany tamin'ny vanim-potoan'ny Testamenta Vaovao. Ny anarana hoe "Kristadelfiana" dia efa nampiasaina nandritra ny 150 taona. Avy amin'ny teny Grika roa no niavian'izany teny izany, izay midika hoe "Mpirahalahy sy Mpirahavavy ao amin'i Kristy"

 

    (Matio 23:8; Kolosiana 1:2; Hebreo 2:11)

 

Firenena 120 no misy anay maneran-tany ary misy sampana lehibe an'ny  Fiangonana Kristadelfiana  any Angletera, Aôstralia, Nouvelles-Zélandes, Amerika Avaratra, Inde, Azia ary Afrika. Tahaka ny Kristiana tany am-boalohany, izahay dia mivory any an-trano, na any amin'ny efitrano nofaina ary, indraindray, mivory any amin'ny efitrano malalaka izay anay manokana.

 

    (Asan'ny Apostoly 1:13-14; 2:46-47; 18:7; 19:9; 28:30)

 

Izahay dia manaraka ny modelin'ny fikambanana laīka taorian'ny taonjato voalohan'ny fivavahana Kristiana. Ny vondrom-bavaka tsirairay dia antsoina hoe "fivoriam-bavaka" (teny Grika "ecclesia" ao amin'ny Testamenta Vaovao izay manondro ny fiangonana). Izahay dia tsy manana mpitondra fivavahana voakarama na ambaratongam-pitantanana ao amin'ny fiangonana. Ny mpikambana ao amin'ny vondrom-bavaka tsirairay dia mifampiantso hoe "rahalahy" na "rahavavy", ary mandray anjara amin'ny fikarakarana ny hetsika izay ataonay rehetra.  Ny mpikambana rehetra dia manome maimaim-poana ny fotoanany sy ny heriny ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Ny firahalahinay dia voafatotrin'ny finoana mafy iombonana.

 

    (Romana 12:4-8; 1 Korintiana 12:4-27; Galatiana 3:28)

 

Izahay dia manaiky ny Baiboly ho toy ny mpitarika tokana anay ary mino fa tenin'Andriamanitra izay avy amin'ny fitaoman'ny Fanahy izy io.  Ny maha-mpikambana dia misokatra  ho an'ireo izay mitovy finoana amin'izany rehefa avy atao batisa (asitrika tanteraka ao anaty rano).

 

2. Tantara fohifohy

 

Maro amin'ireo mpino hatramin'ny andron'ny apôstôly no nihazona ny finoana tahaka ny an'ny Kristadelfiana. Maro tsy tambo isaina ireo vondrom-bavaka maneran-tany izay nianatra tamim-pahazotoana ny Baiboly ary nanaiky ny fampianarany tsotra.

 

Ny finoana sy ny fombafomban'ny Fiangonana Kristadelfiana dia azo zohina nanomboka tao amin'ny Testamenta Vaovao ka hatramin'ireo Kristiana tany am-boalohany indrindra tamin'ny Taonjato1 sy faha 2 tao amin'ny antotan-taratasy tahaka ny Taratasin'i Clement sy ny Didase ary ny Fiekem-pinoan'ny Apôstôly.

 

Niaraka tamin'ny fipoiran'ny fahafahana ara-pivavahana tany Eôrôpa nandritra ny Fanavaozana tamin'ny Taonjato faha-16 dia niseho tao amin'ireo antokon'olona mpandala ny Baiboly toy ireo Anabatista Soisa sy Sosiniana Poloney  indray ireo finoana sy fombafomba ireo. Ireo Batista Anglisy taloha dia nanana finoana mitovy amin'izany (eny fa na dia tsy mihazona ireny finoana ireny intsony aza ireo Batista amin'izao andro izao). Tamin'ny Taonjato faha-18, maro tamin'ireo mpitarika lehibe tao amin'ny vanim-potoan'ny Fahazavana tahaka an-dry Sir Isaac Newton sy William Whiston no nihazona ireny finoana ireny.

 

Nanomboka tany ho any amin'ny taona 1830 ny hetsiky ny Fiangonana Kristadelfiana moderina, tamin'ny vanim-potoana izay nisian'ny fifohazana sy ny fanavaozana tany Amerika sy tany Angletera. Tany Amerika, ny dokotera iray atao hoe John Thomas dia namoaka ilay Fanambaran'ny Fanjakana (Herald of the Kingdom)  izay nampiseho ny fampianaran'ny Baiboly momba ny fitsanganana amin'ny maty sy ny Fanjakan'Andriamanitra. Tany Angletera, ny mpanao gazety iray antsoina hoe Robert Roberts dia nitondra izay hevitra izay ihany tao amin'ny Masoivohon'ny Vanim-potoana Hoavy (Ambassador of the Coming Age). Tsy nilaza ny tenany nahazo fahitana na fanambarana ho an'ny tena manokana i Thomas sy Roberts fa niezaka fotsiny ho mpianatra Baiboly marina.

 

Rehefa vaky ny Ady An-trano tany Amerika tamin'ny 1861, ireo fikambanana Kristiana izay tsy niady dia notakiana mba hisoratra anarana ao amin'ny governemanta Iombonan'ny fanjakana tavaratra. Sam Coffman sy ny rahalahy hafa tany Illinois dia nisoratra anarana ho "Mpirahalahy ao amin'i Kristy na lazaina amin'ny teny hoe Kristadelfiana". Tsy ela akory taorin'izay dia noraisin'ireo andiana mpino mitovitovy fisainana  io anarana io tany Amerika sy tany Angletera. Nanomboka teo dia nitoetra tamin'ny firenena maro maneran-tany ny sampana Kristadelfiana mahaleo tena.

3. Ny finoanay

Ny Baiboly

 

Izahay dia mino fa ny Baiboly irery no hany hafatra nambaran'Andriamanitra ho an'ny olombelona, ary nomena mba hitarika ny tsirairay ho amin'ny finoana sy ny fahatokisana an'Andriamanitra sy ny Zanany. Ny Baiboly  irery no hany fahefanay ary tokony vakiana amim-bavaka sy amim-pahamalinana izy io amin'ny fotoana rehetra mahamety izany.

 

    (2 Timoty 3:16-17; 1 Petera 1:10-12; 2 Petera 1:20-21; Asan'ny Apostoly 17:11; Efesiana 2:20; Romana 16:26)

 

Andriamanitra

Andriamanitra iray ihany no misy ary mandrakizay sy tsy mety maty Izy. Jesosy Kristy irery no hany zanany lahitokana ary ny Fanahy Masina no heriny.

 

    (Deotornomy 6:4; Lioka 1:35; Asan'ny Apostoly 1:8; 1 Korintiana 8:6; 1 Timoty 1:17; 2:5; 6:16)

 

Ny olona

Ny olona dia mety maty ary mpanota eo anatrehan'Andriamanitra. Ny sazin'ny ota dia ny fahafatesana izay fiafaran'ny fiainana rehetra.

 

    (Jeremia 17:9; Marka 7:21-23; Romana 3:23; Jakoba 1:13-15; Mpitoriteny 9:5,10; Salamo 115:17; 146:4)

 

Fanantenana

Ny hany fanantenana ho amin'ny fiainana aorian'ny fahafatesana dia ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty sy ny fiainana mandrakizay ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra eto ambonin'ny tany.

 

    (Salamo 49:12; Jaona 11:25-26; Asan'ny Apostoly 24:15; Romana 8:22-39; 1 Korintiana 15:12; Apokalypsy 5:10; 20:4)

 

Ireo Fampanantenana

 

Ny Filazantsara dia tsy azo sarahina amin'ny fampanantenana izay nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama sy Davida tamin'ny fotoan'ny Testamenta Taloha. Ireo fampanantenana ireo dia tanteraka tao amin'i Jesosy Kristy.

 

    (Asan'ny Apostoly 13:32 sy Genesisy 13:14-17; 22:15-18; 2 Samoela 7:12,16; Lioka 1:31-33; Galatiana 3:6-9,16,26-29)

 

Jesosy

 

Noho ny fitiavany dia nandefa ny zanany, dia i Jesosy ilay olombelona izany, tety ambonin'ny tany Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona amin'ny fahotany.   Ireo izay mino azy dia tsy ho faty, fa hanana ny fiainana mandrakizay.

 

    (Matio 1:20-21; 3:17; Lioka 1:35; jaona 3:16)

 

Ny sorona nataon'i Kristy

 

Jesosy dia tsy nanam-pahotana. Maty Izy mba anehoana ny fahamarinan'Andriamanitra sy amonjena ireo izay nandray io sorona io tamin'ny alalan'ny finoana. Nantsangan'Andriamanitra tamin'ny maty Izy ka nomeny ny tsy fahafatesana mandrakizay ary nafindrany taminy ny fahefana rehetra tany an-danitra sy tety an-tany, ary nametraka Azy ho mpanelanelana an'Andriamanitra sy ny olona.

 

    (Romana 3:21-26;; Efesiana 1:19-23; 1 Timoty 2:5-6; Hebreo 4:14-46)

 

Ny Fiverenan'i Kristy

 

Hiverina ety an-tany tsy ho ela indray i Jesosy. Ka hanangana ny maro amin'ireo maty Izy sy hitsara azy ireo miaraka amin'ny velona ary hanome fiainana mandrakizay an'ireo izay mahatoky ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

 

    (Daniela 12:2; Matio 25:31-34; Lioka 21:20-32; Jaona 5:28-29; Asan'ny Apostoly 1:11; 2 Timoty 4:1; Apokalypsy 22:12)

 

Ny Fanjakan'Andriamanitra

 

Ny Fanjakan'Andriamanitra dia haorina eto ambonin'ny tany. Jesosy no ho mpanjakan'i Jerosalema; haneran-tany ny fanapahany ary hitondra fahamarinana sy filaminana mandrakizay ny fanjakany.

 

    (Salamo 72; Isaia 2:2-4; 9:6-; 11:1-9; 61:1-11; Jeremia 3:17; Daniela 2:44; 7:14,27; Asan'ny Apostoly 3:21)

 

Ny Lālan'ny Famonjena

 

Ny lālana idirana mankany amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia amin'ny alalan'ny finoana. Tafiditra ao anatin'izany ny finoana ny Baiboly sy ny fankatoavana ny zavatra takiany dia ny hoe: miaiky ny fahotany ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra, mibebaka sy atao batisa ary manaraka amim-pahatokiana an'i Jesosy.

 

    (Matio 16:24-27; Marka 16:16; Jaona 3:3-5; Asan'ny Apostoly 2:37-38; 4:12; 2 Timoty 3:15; Hebreo 11:6)

 

 

4. Fahasamihafana sasantsasany lehibe

 

Matetika dia anontanian'ny olona izahay hoe: "Inona no mahasamihafa anareo amin'ireo fikambanana Kristiana hafa?" Ankoatra ny fandaminana miavaka izay misy ato aminay (tsy misy mpitondra fivavahana na ambaratongam-pitantanana), dia maro amin'ireo foto-pampianaranay no somary miavaka amin'ny an'ny ankamaroan'ny fiangonana.

 

Izahay dia mandā ny foto-pampianarana momba ny Trinite Masina, izay nivoatra taorian'ny fahafatesana sy ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty noho ny fifandirana nisy tanatin'ny fiangonana (Konsilin'i Nise, 325 taorian'i J.K). Ny Baiboly dia mampianatra fa Zanak'Andriamanitra i Jesosy saingy na aiza na aiza ao dia  tsy ahitana ny firesahana ny momba ny "fisiany mialoha" tany an-danitra amin'ny maha-"Andriamanitra Zanaka" azy. Ny Trinite Masina dia mampihen-danja ny asan'i Kristy amin'ny alalan'ny famerana ny tolona nataony ho fanoherana ny fahotana sy ny tena fisian'ny fahafatesany. Fa raha toa ka Andriamanitra izy dia tsy afaka nalaim-panahy na afaka ho faty.

 

    (1 Timoty 2:5; 6:16; 1 Korintiana 11:3; Hebreo 5:8; Jakoba 1:13)

 

Izahay ihany koa dia mandā ilay hevitry ny maro momba ny "fanahy tsy mety maty" izay mankany an-danitra rehefa maty.   Ny Baiboly dia mampianatra fa ny hany fanantenana  ho amin'ny fiainana mandrakizay dia ny fitsanganana amin'ny maty rehefa miverina indray i Jesosy ka hiara-hiaina aminy mandrakizay any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

 

    (Jaona 3:13; Asan'ny Apostoly 2:34; 1 Tesaloniana 4:16)

 

Izahay dia mino fa ny batisa dia tena ilaina rehefa avy mino sy manaiky ny filazantsara ny olona. Ny famafazana rano ny zazakely dia tsy batisa.

 

    (Jaona 3:5; Kolosiana 2:12; 1 Petera 3:21)

 

Izahay koa dia mino fa mampiasa ny teny hoe "devoly" ny Baiboly ho tandindon'ny toetra maha-mpanota ny olombelona, noho izany, izahay dia mandā ny foto-pampianarana momba ny mpaka fanahy izay tsy takatry ny saina.

 

    (Isaia 45:7; Marka 8:33; Jaona 6:70; Hebreo 1:14)

 

 

 

5. Ny lālan'ny fiainantsika

 

Ny Baiboly: boky torolālana ho an'ny fiainana

 

Ny Baiboly dia manome torolālana mahomby ho an'ny fiainantsika. Ny fomba mahazatra eo anivon'ny Fiangonana Kristadelfiana dia ny mamaky Baiboly isan'andro ka mampiasa drafitra famakiana izay manampy anay hamaky amin'ny fomba maty paika indray mandeha isan-taona ny Testamenta Taloha ary indroa isan-taona ny Testamenta Vaovao.  Maro ny mamaky mihoatra lavitra noho izany.

 

    (Romana 15:4; 1 Tesaloniana 2:13; Jakoba 1:22; 2 Timoty 2:15)

 

Vavaka

 

 Izahay dia mivavaka amin'Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra, amin'ny anaran'i Jesosy Zanany araka ny ohatra napetraky ny Testamenta Vaovao sy ny torolalan'i Kristy. Jesosy no mpisolovava anay amin'ny vavaka ary mahalala ny fahalemenay. Ny vavaka izay atao manokana sy atao ao amin'ireo fivorianay dia ampahany manan-danja tokoa eo amin'ny fiainanay.

 

    (Jaona 15:16; 16:26; Romana 8:26,34; Hebreo 4:15; 1 Jaona 2:1)

 

Asa

 

Araka ny fampianarana sy ny ohatra napetraky ny Apostoly Paoly, ny Fiangonana Kristadelfiana rehetra dia manana tanjona hamelona ny tenany sy  ny fianakaviany amin'ny alalan'ny asa marina. Ialāna ireo asa sasantsasany (ohatra: ny pôlitika, ny miaramila, ny pôlisy, ny asa mifandraika amin'ny lalāna manameloka).

 

    (1 Timoty 5:8; 2 Tesaloniana 3:6-12)

 

Fianam-pianakaviana

 

Ny fifandraisana eo amin'ny mpivady dia ampitahaina amin'ny fifandraisan'i Kristy amin'ny fiangonana.  Noho izany, ny fanambadiana dia tokony ho raisina ho zava-masina tokoa. Ny ankizy dia taizaina ao anatin'ny fahalalana an'Andriamanitra ka manatrika ny Sekoly Alahady sy ny famakiana ny Baiboly isan'andro miaraka amin'ireo ray aman-dreniny.  Ny zokiolona dia sady karakarain'ny fianakaviany no karakarain'ny firahalahiana.

 

    (Efesiana 5:22-33, 6:4; 1 Timoty 5:4)

 

Fanomezana

 

Ny Fiangonana Kristadelfiana, ny olona tsirairay  avy sy ny fikambanana miaraka, dia samy mandray anjara amin'ny asa fanasoavana sy ny fanomezana avokoa. Ohatra, izahay dia manana trano fitaizana sy tranom-bahiny maromaro izay natao ho an'ny beantitra.

 

    (Galatiana 6:10; Jakoba 1:27, 2:15-16; Matio 6:1-4; Jaona 6:26)

 

Izahay dia tsy mitaky ny fahafolonkarena (fanomezana ny 10% amin'ny fidiram-bolanay ho an'ny fiangonana) satria ny fahafolonkarena, ao amin'ny Testamenta Taloha, dia tokony nomena ny mpisorona (taranak'i Levy) izay efa nofoanana ankehitriny.  Ny fampianaran'ny Testamanta Vaovao dia hoe mila malala-tānana amin'ny fanomezana, saingy tsy mamaritra habetsahana mazava tsara kosa izany.

 

    (Nomery 18:24; Hebreo 7:1-28; 2 Korintiana 9:7; 1 Timoty 6:18)

 

Ny Finoana sy ny Fahasoavana

 

Izahay dia miezaka ny miankina tanteraka amin'Andriamanitra ary mampivelatra ny finoana izay mitarika amin'ny vavaka sy amin'ny asa tsara. Etsy andanin'izay koa anefa, izahay dia manaiky fa ny famonjena dia avy amin'ny alalan'ny fahasoavana.

 

    (Efesiana 2:8)

 

Miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra, izahay dia miezaka ny mankasitraka sy mankatō azy isan'andro, ary miezaka ny manahaka an'i Kristy izay nankatō tamim-pahatokiana tanteraka ny Rainy.  Noho izany, izahay dia miezaka hampiseho fifaliana eo amin'ny asa, hahatoky eo amin'ny fanambadiana, halala-tānana eo amin'ny fanomezana, hanokan-tena amin'ny fitoriana ary hifaly ao amin'Andriamanitray.

6. Ny finamanana, ny fiderana ary ny fijoroana vavolombelona ao aminay.

Fivoriana

 

Izahay dia mivory indray mandeha isan-kerinandro mba hidera an'Andriamanitra sy hahatsiaro ny sorona nataon'i Jesosy Zanany amin'ny alalan'ny famakiana ny mofo sy ny fisotroana ny divay.  Ireo mpikambana vita batisa rehetra dia mandray ny mofo sy ny divay.

 

    (1 Korintiana 11:23-26; 12:13; Matio 26:26-30)

 

Ankoatra ny fandraisana ny mofo sy ny divay, io fivoriana io dia miompana amin'ny vavaka, ny famakina toko roa na telo ao amin'ny Baiboly, hiram-pivavahana sy hira ary "famporisihana" (teny fampaherezana) mifototra amin'ny Baiboly.  Rahalahy iray hafa no hiteny isa-kerinandro.

 

    (Efesiana 5:19; 1 Timoty 4:13; Hebreo 3:13)

 

Ny fandraisana anjara amin'io fivoriana io no ivon'ny fiainana ara-pinoanay. Ny ankabeazan'ny firenena rehetra dia manao io fivoriana io amin'ny andro Alahady, kanefa mety atao amin'ny andro hafa ihany koa izany (ohatra: Asabotsy any Népal ary Zoma any Bangladesh) raha toa ka andro natao iasana ny andro Alahady.  Ny ankizy dia mianatra momba ny Baiboly mandritra ny Sekoly Alahady sy any an-trano.

 

    (Asan'ny Apostoly 2:42; 20:7, 1 Korintiana 16:2)

 

Ny ankamaroan'ny sampana eo an-toerana ihany koa dia manao kilasy iray na maro ho fianarana Baiboly amin'ny hariva mandritra ny herinandro ary hetsika ho an'ny Tanora ihany koa.

Ny fianarana Baiboly.

 

Ny Fiangonana Kristadelfiana dia tsy manana sekoly ara-teolojika na seminera, fa hosolon'izay kosa dia misy ny Sekolin'ny Baiboly ho an'ny mpikambana rehetra. Isan-taona dia maro ny Fiangonana Kristadelfiana izay mandany herinandro iray na faran'ny herinandro maromaro any amin'ny Sekolin'ny Baiboly na any amin'ny Lasy Fianarana Baiboly izay atao any amin'ny efitrano hofaina amin'ny oniversite na amin'ny fiangonana hafa. Any amin'ireny fianarana ireny dia matetika misy mpanao lahateny roa na telo izay hiresaka momba ny hevitra maro isan-karazany ao amin'ny Baiboly.

Fandaminana

 

Miahy ny tenany manokana ny 'fivoriam-bavaka' tsirairay. Tsy misy 'mpitarika' nasionaly na iraisam-pirenena na 'birao foibe'. Kanefa, ny Fiangonana Kristadelfiana dia mifampizara finamanana maneran-tany izay mifototra amin'ny finoana iombonana. Amin'izay dia mitovy bebe kokoa amin'ny fianakaviana ny fifandraisana eo amin'ny samy vondrom-bavaka raha oharina amin'ny an'ireo fiangonana mahazatra. Io no modely ao amin'ny Testamenta Vaovao.

 

    (Efesiana 3:15; 4:1-6, Jaona 1:6-7)

 

Ny fiangonana tao Jerosalema tany am-boalohany dia nanana loholona roa ambin'ny folo izay mpiandraikitra ny "fitoriana ny teny" (fitoriana sy fampianarana) ary diakona fito mpiandraikitra ny "fanompoana ny latabatra" (fifanampiana). Torak'izany ihany koa, ny fiangonana tany Efesosy dia nanana mpiahy (ara-bakiteny "eveka"), izay midika hoe loholona. Izahay dia mampiasa ny modely mitovy amin'izay ka misy fivondronana rahalahy ao anatin'ny fivoriam-bavaka tsirairay izay mpiandraikitra ny fitantanana ny fivoriam-bavaka. Izahay dia tsy manana pastora voakarama.

 

    (Matio 23:8-11, Asan'ny Apostoly 1:23, 6:1-6, 20:28)

 

Asa fitoriana

 

Ny fivoriam-bavaka tsirairay dia miezaka ny mitory ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakana ary mampianatra ny anaran'i Jesosy Kristy ao anatin'ny faritra misy azy ireo.

 

    Asan'ny Apostoly 8:12, 28:31; 2 Timoty 4:2

 

Ny mpikambana sasany dia mandeha mankany ampitan-dranomasina mba hitory sy hanampy ireo rahalahy sy rahavavy any. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo dia tsy karamaina.

 

    (Asan'ny Apostoly 20:33-34; 1 Tesaloniana 2:9)

 

Ny Fiangonana Kristadelfiana dia mikarakara Semineran'ny Baiboly sy Lasin'ny Baiboly any amin'ny firenena maro ary mizara  lahatsoratra sy gazety boky mikasika ny Baiboly izay maimaim-poana. Tahaka an'i Paoly dia tanjonay ny "mitory ny Filazantsara maimaimpoana".

 

    (1 Korintiana 9:18)

 

Fanasana

 

Ny Fiangonana Kristadelfiana dia vondrona mifandray am-po izay miasa amin'ny fanompoana an'Andriamanitra na inona na inona fomba ahafahanay manao izany.

 

Raha toa ka tianao no hahazo fanazavana fanampiny dia azonao atao ny mijery ny tranokalanay:

 

http://www.thisisyourbible.com/

 

na manorāta aty amin'ny:

 

Christadelphian Bible Mission c/o

404 Shaftmoor Lane, Hall Green Birmingham West Midlands B28 8SZ, England.